7. dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
8. ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
9. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.
10. Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11. Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
12. Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13. ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
14. Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
15. Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
16. Eny, izy no hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17. Ary raha miditra any amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18. Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19. Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.
20. Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.