16. Norefesiny tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.
17. Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara fandrefesana.
18. Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara fandrefesana.
19. Nitodika nankany amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny volotara fandrefesana.
20. Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.