Ezekiela 42:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny avaratra,

2. dia ho eo anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.

3. Tandrifin'ny roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony indrindra.

4. Ary teo anoloan'ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.

5. Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.

6. Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.

7. Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin'ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.

8. Fa ny lavan'ireo efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.

9. Ary teo ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.

Ezekiela 42