Ezekiela 40:7-23 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.

8. Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.

9. Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.

10. Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.

11. Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.

12. Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.

13. Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.

14. Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.

15. Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.

16. Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.

17. Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.

18. Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.

19. Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.

20. An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.

21. Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

22. Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.

23. Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.

Ezekiela 40