13. Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
14. Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
15. ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.
16. Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.
17. Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
18. Ny nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
19. Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
20. Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
21. Ary hasehoko any amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
22. Ary ho fantatry ny taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka hatramin'ny ho avy rehetra.
23. Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24. Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.