Ezekiela 38:20-23 Malagasy Bible (MG1865)

20. ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.

21. Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin'ny namany avy izy rehetra.

22. Ary hamaly azy amin'ny areti-mandringana sy ny rĂ  sy ny ranon'orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny miaramilany mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.

23. Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

Ezekiela 38