Ezekiela 37:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.

2. Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.

3. Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.

4. Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!

5. Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;

6. ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

7. Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.

8. Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.

9. Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.

Ezekiela 37