Ezekiela 36:10-24 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;

11. Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

12. Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.

13. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,

14. Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.

15. Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.

16. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

17. Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.

18. Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.

19. Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.

20. Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.

21. Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.

22. Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.

23. Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.

24. Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo.

Ezekiela 36