Ezekiela 32:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,

4. Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.

5. Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.

6. Hataoko safotry ny rĂ nao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.

Ezekiela 32