Ezekiela 31:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.

6. Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.

7. Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany.

8. Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.

9. Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.

10. Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,

11. Dia hatolotro eo an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.

12. Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.

Ezekiela 31