1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2. Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
3. Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
4. Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
5. Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
6. Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
7. Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.
8. Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
9. Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
10. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta.
11. Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.