Ezekiela 3:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;

6. tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.

7. Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.

8. Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.

9. Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.

Ezekiela 3