7. (Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)
8. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9. Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
10. Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i Etiopia.