21. Ry zanak'olona, manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,
22. ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.
23. Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rĂ ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
24. Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.