Ezekiela 25:14-17 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.

15. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,

16. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;

17. Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.

Ezekiela 25