1. Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2. Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.
3. Ary milazĂ fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
4. ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
5. Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.