1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2. Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
3. ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
4. Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
5. ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6. Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.
7. Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
8. Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.