Ezekiela 20:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.

9. Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.

10. Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.

11. Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.

12. Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

Ezekiela 20