1. Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
2. Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
3. Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4. Tsy hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny razany izy.
5. Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,