8. Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
9. Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
10. Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.