1. Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
2. ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora?
3. Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
4. Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
5. Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.