Ezekiela 15:5-8 Malagasy Bible (MG1865)

5. Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny afo sy may izy?

6. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.

7. Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.

8. Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.

Ezekiela 15