1. Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
2. Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
3. dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.
4. Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
5. Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
6. Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.