Estera 8:15-17 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.

16. Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.

17. Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanĂ na rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.

Estera 8