Estera 7:8-10 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin'ny trano ho ao amin'ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin'ny farafara nandrian'i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin'ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan'i Hamana

9. Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon'i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin'io izy.

10. Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.

Estera 7