3. Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
4. fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
5. Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?
6. Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana.
7. Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.