Estera 4:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanĂ na ka nitaraina sy nidradradradra mafy;

2. ary tonga teo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.

3. Ary tany amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny lamba fisaonana aman-davenona.

Estera 4