Eksodosy 6:2-15 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;

3. ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,

4. Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.

5. Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.

6. Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

7. Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo.

8. Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanĂ na homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.

9. Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.

10. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

11. Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.

12. Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?

13. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.

14. Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.

15. Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona.

Eksodosy 6