Eksodosy 40:27-38 Malagasy Bible (MG1865)

27. ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

28. Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;

29. ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

30. Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.

31. Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.

32. Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

33. Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.

34. Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

35. Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

36. Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;

37. fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.

38. Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.

Eksodosy 40