Eksodosy 40:23-34 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

24. Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.

25. Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

26. Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;

27. ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

28. Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;

29. ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

30. Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.

31. Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.

32. Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

33. Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.

34. Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

Eksodosy 40