Eksodosy 40:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.

3. Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.

4. Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.

Eksodosy 40