4. Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.
5. Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
6. Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
7. Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
8. Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9. Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
10. Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
11. ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
12. ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
13. ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
14. Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
15. Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
16. Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
17. Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.
18. Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
19. Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.