31. Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32. Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33. Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
34. ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
35. ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
36. ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
37. ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,