Eksodosy 39:17-35 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.

18. Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.

19. Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.

20. Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.

21. Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

22. Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.

23. Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.

24. Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;

25. ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):

26. dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

27. Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.

28. Ary ny hamama dia na­taony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.

29. Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

30. Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.

31. Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

32. Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

33. Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,

34. ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,

35. ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,

Eksodosy 39