Eksodosy 38:15-20 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;

16. Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.

17. Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.

18. Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.

19. Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.

20. Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.

Eksodosy 38