Eksodosy 36:7-18 Malagasy Bible (MG1865)

7. fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.

8. Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.

9. Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.

10. Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.

11. Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.

12. Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.

13. Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.

14. Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.

15. Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.

16. Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.

17. Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo anĀ­tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.

18. Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.

Eksodosy 36