Eksodosy 36:27-33 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.

28. Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.

29. Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.

30. Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

31. Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,

32. sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.

33. Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.

Eksodosy 36