Eksodosy 35:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

5. ManalĂ  ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,

6. ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy

7. sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,

8. sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,

9. ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.

10. Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:

11. dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,

12. ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,

13. ary ny latabatra sy ny baony mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,

14. ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,

Eksodosy 35