Eksodosy 35:27-34 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,

28. ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo mani-pofona.

29. Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.

30. Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,

31. ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,

32. dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,

33. ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.

34. Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.

Eksodosy 35