26. Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
27. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.
28. Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
29. Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
30. Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
31. Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
32. Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay.
33. Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
34. Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy.
35. Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.