Eksodosy 32:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.

4. Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

5. Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.

6. Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.

7. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

8. Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

9. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.

Eksodosy 32