20. Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
21. dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin'ny taranany fara mandimby.
22. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23. Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak'izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
24. sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;
25. dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.
26. Ary hosory amin'izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran'ny Vavolombelona,
27. sy ny latabatra mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
28. ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
29. Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.
30. Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
31. Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
32. Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina aminareo.