Eksodosy 25:8-23 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.

9. Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

10. Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

11. Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.

12. Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.

13. Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.

14. Ary ampidiro ny bao ho eo amin'ny vava volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.

15. Eo amin'ny vava volan'ny fiara no hitoeran'ny bao, ka tsy hesorina eo izy.

16. Ary ataovy ao anatin'ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.

17. Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.

18. Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana

19. Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin'ny sakany anankiray: indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin'ny sakany roa.

20. Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.

21. Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.

22. Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.

23. Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

Eksodosy 25