33. dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny fanaovan-jiro.
34. Ary eo amin'ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
35. dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
36. Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena tsara izy rehetra.
37. Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38. Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
39. VolameĀna tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny.
40. Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.