3. Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4. sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'
5. sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
6. sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
7. sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.
8. Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.