26. Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo amin'ny tongony efatra ireo:
27. eo akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
28. Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana ny latabatra.
29. Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
30. Ary asio mofo aseho eo ambonin'ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
31. Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
32. Ary hisy sampany enina amin'ny ankilany roa: dia sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray, ary sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray koa,
33. dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny fanaovan-jiro.
34. Ary eo amin'ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
35. dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
36. Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena tsara izy rehetra.
37. Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38. Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.