Eksodosy 25:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.

3. Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy vara­hina,

4. sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'

5. sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,

6. sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,

7. sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.

8. Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.

Eksodosy 25