1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
3. Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4. sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'
5. sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,