Eksodosy 24:7-18 Malagasy Bible (MG1865)

7. Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay.

8. Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.

9. Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny Isiraely.

10. Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.

11. Ary tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.

12. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.

13. Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra.

14. Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.

15. Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.

16. Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.

17. Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.

18. Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.

Eksodosy 24