Eksodosy 23:13-20 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany.

14. Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.

15. Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.

16. Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.

17. Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.

18. Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.

19. Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

20. Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.

Eksodosy 23